Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Saripika : nivaly ny fifaninanana « Alao sary »

    Ekipa 39 no nisoratra anarana, fa 33 kosa ireo nahatontosa ny fifaninanana hatramin’ny farany. Nankasitrahana ny ekipa efatra tamin’izy ireo, izay nahazo ny voalohany tamin’ilay fifaninanana sary pika, “Alao sary Antananarivo”. Nahazo ny “prix contre la montre” ny ekipan’Andriatsirofo Sandy. “Prix phone photo” ny an’ny ekipan-dRavaoarisoa Josea Dianah. Faharoa tamin’ny fitantarana ny ekipan-dRamaromandray Franck raha toa ka voalohany kosa ny ekipan-dRaelihasina Jenny.
    Raha tsiahivina, fifaninanana saripika ho an’ireo tsy mivelona amin’izany ny “Alao sary”. Nitety an’Antananarivo ireto mpaka sary ireto ny 19 marsa lasa teo, ka sady naka sary no niezaka nitantara nampiaina izany. Saripika miisa 178 no voaangon’ireo ekipa 33 nifaninana. Anisan’ny loka azon’ireo nandresy ny fiofanana homen’ireo mpaka sary matihanina. Amin’ny volana aogositra indray ny “Alao sary” manaraka, ka hiompana amin’ny olana ara-piarahamonina mahazo ny ankizy sy ny tanora ny lohahevitra.

    Randria.

    Les commentaires sont fermées.