Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toekarena marefo : mamelona olona maro ny varotra “friperie“

    Toekarena marefo  : mamelona olona maro ny varotra “friperie“

    Marefo ny toekarena malagasy, raha jerena ny zavatra amidy sy ny fahamaroan’ny mpivarotra, na ara-dalàna na ireo lazaina informels. Mitobaka ny friperie tato anatin’ny dimy taona farany, ary amin’ny karazany rehetra. Mamelona olona maro anefa ireny entana ireny. Tsy mijanona amin’ny lamba ihany, toy ny taloha ny miditra eto Madagasikara. Karazan’entana maro ahitana izany, toy ny kojakoja fanolo amin’ny fitaovana elektrika. Betsaka amin’ireny entana efa niasa avy any ivelany ireny, tsy fantatry ny mpanjifa maro. Raha jerena aza ny kalitao, aleo lavitra mividy ireny kojakoja fanolo efa niasa ireny, toy izay ireo lazaina vaovao, araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray. Tsy vahiny amin’ny maso intsony koa izao ny mahita kiraro frip mitobaka eny an-tsena, amin’ny karazany rehetra.

    Raha ny frip lamba, ohatra, manomboka amin’ny vanim-potoana ririnina no mampiakatra ny tsena. Mandeha amin’ny kilao ny vidin’izy ireny, miainga amin’ny balles avy any amin’ny mpamongady. Misy amin’ireo mpamongady ireo koa ny informels. Balles 45 kg, ohatra, manomboka eo amin’ny 40.000 Ar ary misy tafakatra hatrany amin’ny 600.000 Ar. Raha jerena ny fahamaroan’ny mpivarotra, indrindra ireo mpivarotra antsinjarany, tsy vitsy ny milaza fa mihena ny tombom-barotra azon’izy ireo. Feno azy ireo ny tsena, eny Mahamasina, Ambodin’Isotry, Andravoahangy. Lalam-barotra iray lehibe ho an’ireny karazan’entana ireny koa ny any amin’ny faritra rehetra.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.