Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zavakanto Antsirabe : zava-baovao ny tetikasa « Bira compil »

    Zavakanto Antsirabe  : zava-baovao ny tetikasa « Bira compil »

    Tsy mitsaha-mikaroka ny amin’izay hampandrosoana ny sehatry ny zavakanto ny ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Eo am-panombohana ny tetikasa « Bira compil », ankehitriny, ireo mpikirakira ny tontolon’ny hira ao Antsirabe. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, mbola zava-baovao ho an’ny ao an-toerana izy ity. Kapila mangirana iray no mirakitra sanganasana mpanakanto na tarika iray na maro samihafa sy samy manana ny gadona lalaoviny. Hira 16 sanganasana mpanakanto 16 voafantina no hovokarin’ny « Bira compilation » amin’izao voalohany izao. Hivoaka ny volana jona ho avy izao izy io. Anisan’izany ny hiran-dry O’Azy, Pit Léo, Eka Zao, Mafonja, Mpamanga, Mami Basta, One Look, Fontsy, sns. Fantatra fa hamoaka mpanakanto vaovao voafantina isan-taona amin’ny alalan’ny kapila mangirana ihany koa ny tetikasa « Bira compil ».

    Anisan’ny tanjon’ireo tompon-kevitra amin’izao hetsika izao ny hanome risi-po ireo mpanakanto tanora vao misandratra sy ireo efa manana ny maha izy azy mba hanao ny tsaratsara kokoa hatrany. Marihina fa namorona ity tetikasa ity i Toky (tarika Mpamanga), sady mpandrindra teknika. Dadarozy mpanakanto, mpanampy ireo tanora vao misandratra eo amin’ny sahan’ny kanto ao Antsirabe. Manampy azy mirahalahy ireo i Sahondra, tomponandraikitra kolotoraly sy kolontsaina ao amin’ny foibe ara-tsaina CCC Lovasoa miaraka amin’ny tale lefitr’ity foibe  ity ihany.

    Jeannot Ratsimbazafy / HaRy R.

    Les commentaires sont fermées.