Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    INPF : miverina amin’ny lazany ny ivontoeram-piofanana

    INPF  : miverina amin’ny lazany ny ivontoeram-piofanana

    Namoaka ny andiana mpianatra nisalotra ny anarana “mandresy” ny Institut national de promotion formation (INPF) etsy Ivato ny faran’ny herinandro teo. Andiany faha-12 ireto navoaka ireto avy amin’ny lalam-piofanana telo dia ny mekanikan’ny fiara, elektronika sy informatika ary ny fitantanam-bola.

    Manomboka miverina amin’ny tanjany ny ivontoeram-piofanana ankehitriny. Tohanam-potsiny ny mpianatra maniry hanaraka fiofanana ao an-toerana raha ny filazan’ny talen-tsekoly Randrianarivo Romuald.

    Manaporofo izany fa mirona tsikelikely any amin’ny fampiofanana arakasa avy hatrany ny tanora aorian’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea. Tsy very mandeha ny tanora nanao fiofanana teknika fa ilain’ny orinasa hatrany ny traikefany.

    Tao anatin’ny krizy maro nolalovan’ny INPF nandritra ny 43 taona nijorony, efa tranainy ny fitaovana ampiasaina ao an-toerana. Mitaky fanavaozana izany hahafahana manaraka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fanatontoloana izay mihazakazaka ankehitriny.

    Tsy ampy ihany koa ny mpampianatra teknisianina ary efa antitra sy nandeha nisotro ronono avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Sarotra araka izany ny mitady mpampianatra handimby ireo efa niala sasatra ireo ka hanentanana indrindra ny tanora izany, raha ny fanazavana hatrany.

    Marihina fa anisan’ny olana mafy nosedrain’ity ivontoeram-piofanana ity ny trosa mavesatra teo amin’ny karaman’ireo mpampianatra.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.