Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Noloaran-drainy ny masony : nivoaka ny hopitaly i Erica

    Noloaran-drainy ny masony  : nivoaka ny hopitaly i Erica

    Nivoaka ny hopitaly, ny faran’ny herinandro teo i Erica, ilay tovovavikely niharan’ny habibiana nataon’ny ray niteraka azy. Nesorina tanteraka ny maso ankavanan’ity tovovavikely ity. Miverina isan-kerinandro eny amin’ny hopitaly kosa i Erica amin’ny fanaraha-maso akaiky hataon’ny dokotera aminy.

    Manao ny fomba rehetra hamonjena ny mason’i Erica havia ny dokotera ao amin’ny HJRA hahafahany mahita sy miatrika ny fiainana.

    Tsiahivina fa noho ny herisetra nataon-drainy, izay nandoatra ny masony no nanjo ity ankizivavikely vao efataona monja ity, herinandro maro izay ka niteraka fidirana hopitaly sy fanesorana tanteraka ny masony havanana.

    Les commentaires sont fermées.