Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tim : “Ilaina ny mpanohitra ara-dalàna”

     Nandray ny Parlemantera afrikanina (Pan), Roger Nkodo Dang, ireo parlemantera Tim, ny zoma teo. Nambaran’ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, nitatitra ny fihaonana, fa ilaina ny mpanohitra ara-dalàna. “Manaja ny lalàna sy rijan-tenin-dalàna rehetra misy hahafahana mandray ny fitondrana amin’ny fomba ara-dalàna sy ara-demokratika », hoy izy. Nampita hafatra koa ny vahiny ny tokony hiarahan’ny rehetra miasa. « Potika ny firenena ka miara-manarina ny rehetra », hoy ihany izy nitatitra ny dinika.

    Nambaran’ny Tim kosa fa nanampy ny fitondrana izy ireo ary nampisy ny fitoniana. « Mila manaiky izany fanampiana izany anefa ny fitondrana fa tsy hoe ilainay ianareo amin’izao fotoana izao. Amin’ny fotoana hafa anefa tsy ilainay fa anaovana antsojay », hoy izy ireo. Voaresaka ny tsy fisokafan’ny MBS sy ny Tiko. « Inona ny antony ? Tsy mifampatoky ny filoha mirahalahy nefa te hiara-hiasa. Tompon’ny teny farany anefa izy ireo manoloana ireo mpiara-miasa mety hanakana ny fanapahan-kevitra…”, hoy ny Tim.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.