Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hafari Malagasy : haparitaka manerana ny Nosy ny Jivima

    Hafari Malagasy  : haparitaka manerana ny Nosy ny Jivima

     Tanjona efa napetrakay hatramin’izay ny hananan’ny vahoaka malagasy jiro isan-tokantrano. Sarotra anefa izany satria ny fahefa-mividy eo amin’ny tsirairay tsy mitovy ka nahatonga anay hanao fikarohana manokana ka nahavita ny Jivima”, hoy ny talen’ny Jivima (Jiro Vita Malagasy) Ramiandrisoa Andrinirina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, ny herinandro teo. Nohamafisiny manokana fa mahazaka ny filan’ny mponina andavanandro ny herinaratra vokarin’ny Jivima satria efa nezahina nohamoraina ny fitaovana mba hifanaraka amin’ny fitaovana ampiasaina. Isan’ny mampimenomenona ny olona rahateo ny fahasimban’ny fitaovana aorian’ny delestazy satria miakatra ny tanjaky ny herinaratra. Manomboka amin’ny 1Wh ka hatramin’ny 10 000 Wh ny herinaratra vokarin’ny Jivima. Miara-miasa amin’ny fikambanana Hafari Malagasy izy ireo amin’ny fanapariahana ity angovo ity. Nanamafy rahateo ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy misy idiran’ny politika ny toy izao fa fandraisana andraikitra no tena zava-dehibe ary tsy manam-pahavalo na amin’iza na iza izy ireo. Tsy vitan’ny fifampitsikerana na fifampiandrasana ny sosialim-bahoaka. “Maro ireo manenjika anay, saingy tsy mampihemotra ny Hafari izany fa miroso hatrany izahay fa hotsarain’ny zava-bita ny tsirairay”, hoy izy.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.