Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohimamory Ampitatafika : voasambotry ny polisy i Voangory sy ny namany

    Ambohimamory Ampitatafika  : voasambotry ny polisy i Voangory sy ny namany

     Nidoboka am-ponja avy hatrany rehefa avy natolotra ny fampanoavana i Voangory sy ny namany rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly. Saron’ny polisy avy ao amin’ny poste de police Loharanombato Ampitatafika, ny talata sy alarobia maraina teo, ny jiolahy efatra izay malaza ratsy amin’ny fanendahana eny Ambohimamory Ampitatafika. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy ao Loharanombato, ny Officier de police, Totolava Jean Aimée, tena ikoizana amin’ny asa fanendahana ry zalahy ireto ka eny Ambohimamory, Vinany ambadiky ny FJKM, Siniben-drano, fasana misy sarina liona, Ambohijanamasoandro no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsy. Mitondra sabatra izy ireo entiny hampihorohoroana rehefa manao ny asa ratsiny. Nanamafy hatrany ny polisy fa maro ny olona mitaraina amin’ny asa fanendahana eny amin’iny faritra iny izay tonga nametraka fitarainana tao amin’ny polisy. Nanao hetsika avy hatrany ny polisy taorian’izay ka nahatrarana ireto jiolahy raindahiny ireto. Nilaza ry Voangory sy ny namany nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa ireo mpianatra sy mpivavaka maraina no tena lasibatr’izy ireo. Ny finday sy ny vola ary ny fakan-tsary no alain’izy ireo. Voalazan’ny polisy fa efa nigadra teny Antanimora ny iray amin’ireto jiolahy ireto, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray taorian’ny fivoahana ny fonja.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.