Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Polisim-pirenena : nitohy tamin’ny fanatanjahantena ny faha-55 taona

    Polisim-pirenena  : nitohy tamin’ny fanatanjahantena ny faha-55 taona

    Nitohy amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena ny fahankalazana ny faha-55 taon’ny polisim-pirenena. Anisan’ny nifaninana tamin’izany ny taranja baolina kitra, basket ball, tsipy kanetibe ary haiady. Nasongadin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police, Randimbisoa Blaise Richard fa lalao ara-pirahalahiana ny lalao rehetra amin’ny fifaninanana ka tokony hisy ny fifanajana sy ny fanarahana ny fitsipika mifehy ny taranja rehetra, raha nanokatra ny lalao teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, omaly. Nisy ny filaharan’ireo polisy handray anjara amin’ny fifaninanana izay avy amin’ireo sampandraharaha sy ny sampan’asa samihafa eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ireo polisy miasa any amin’ny andrimpanjakana. Niantomboka, omaly, araka izany, ny fifaninanana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana septambra 2016 ho avy izao.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.