Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanabeazana ara-batana (EPS) : “Misandoka ny MJS”, hoy ny mpianatry ENS/EPS

    Fanabeazana ara-batana (EPS) :  “Misandoka ny MJS”, hoy ny mpianatry ENS/EPS

    Nampiaka-peo ary nampitandrina ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS) ireo mpampianatra nivoaka avy amin’ny ENS, taranja fanatanjahantena (EPS), mikasika ilay famatsiam-bola 6 lavitrisa Ar, avy amin’ny Unesco, entina hanatsarana ny taranja fanabeazana ara-batana eto Madagasikara. “Fisandohana andraikitra ny ataon’ny MJS satria tsy mahakasika azy ireo ny fampianarana fa an’ny minisiteran’ny Fampianarana fa tsy an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena velively”, hoy Razafimahatratra Dina, tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny zoma lasa teo, teny Ankatso.

    Nohamafisiny fa tsy mitovy mihitsy ny fampianarana ny mpianatra sy ny fitantanana ny fanatanjahantena. Noho izany, tsy tokony hitsabaka andraikitra mihitsy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.

    Ankoatra izay, tsy mahafaly ireto mpampianatra fanatanjahantena ireto koa ny tetikasa hananganan’ny MJS foibe toerana hanofana olona, ho tonga mpampianatra EPS ary koa ny hametrahana federasiona sy ligy ary seksiona amin’ity taranjam-pampianarana ity. Manoloana ireo rehetra ireo, hisy fivoriambe ataon’ireo mpampianatra nivoaka avy amin’ny ENS/EPS, ny asabotsy 23 avrily izao, hitakiana ilay vola mba hotantanan’ny minisiteran’ny fampianarana.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.