Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Volley : mpanazatra malagasy 19 nahazo diplaoma FIVB

    Volley  : mpanazatra malagasy 19 nahazo diplaoma FIVB

    Nitombo isa ireo teknisianina malagasy eo amin’ny taranja volley. Tontosa, ny asabotsy 9 avrily teo, ny fanolorana diplaoma ireo teknisianina malagasy miisa 19 eo amin’ny tontolon’ny volley.

    Araka ny fantatra mantsy, nahazo fiofanana iraisam-pirenena ho an’ny mpanazatra “niveau I” avy tamin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIVB) isika, nanomboka ny 5 avrily teo hatramin’ny 9 avrily. Notanterahina tety amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika ka ilay manam-pahaizana iraisam-pirenena Maorisianina, Georges Appadoo, no nitarika ny fiofanana tamin’izany.

    Nambaran’ity manam-pahaizan’ny FIVB ity fa manana haavo teknika tsara ireo mpiofana ary manana finiavana amin’ny fampandrosoana sy fampitàna ny zavatra norantovina eo amin’ny tontolon’ny volley malagasy.

    Ankoatra izay, tafiditra indrindra amin’ilay tetikasa andrana an’ny FIVB nampitondraina ny anarana “Système test de niveau en ligne”. Marihina fa i Madagasikara no firenena afrikanina voalohany nanatanterahana io andrana io.

    Voalaza fa tsy mijanona amin’iny fiofanana eo amin’ny “niveau I” kosa ny hetsika fa hitohy eo amin’ny “niveau II” amin’ny taona hoavy.

    Azo antoka izany ny fampandrosoana ifotony ny taranja volley eto Madagasikara. Miankina tanteraka amin’ireo mpanazatra mantsy izany.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.