Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : sonia sisa no anjaran’ny fanjakana

     Nokianin’ny Banky iraisam-pirenena mafy ny fomba fitantanam-bolam-panjakana (lahatsoratra p.7). Lafiny teknika maro nentin’ireo teknisianina ao amin’ny Banky iraisam-pirenena fa raha jerena ety ivelany fotsiny any amin’ny sampanadraharaha maro, voaporofo izay faharatsian’ny fitantanana izay. Hita izany, ohatra, amin’ireo tranom-panjakana isan-karazany sy ny faharatsian’ny fitaovam-panjakana. Tsy tambo isaina ireo tranom-panjakana, hopitaly, sekoly, biraon’ny kaominina efa simba avokoa, tsy nisy fikojakojana nandritra ny taona nifandimby. Ny olom-pirenena tsotra takina hetra no mizaka ny vokany.

    Mankaiza tokoa ary ny hetra na mivantana na tsy mivantana, tsy manome fahafaham-po ny olom-pirenena ny raharaha any amin’ireo biraom-panjakana. Mandany fotoana raha manao zavatra any amin’ireny biraom-panjakana ireny, lasa miteraka kolikoly. Ireo mponina any kaominina ambanivohitra, voatery miakatra amin’ny tanàn-dehibe vao mahavita izay zavatra ilainy. Mbola olana hafa ny fahanteran’ireo fitaovana. Sonia avy amin’izay tompon’andraikitra sisa anjaran’ny fanjakana fa miantoka ny lany daholo ny olom-pirenena.

    M.C

    Les commentaires sont fermées.