Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haintany any Androy : marefo ny 95%-n’ny kaominina

    Haintany any Androy : marefo ny 95%-n’ny kaominina

    Tandindomin-doza tanteraka ny faritra Androy. Marefo ny mponina vokatry ny hain-tany, tsy vokatra ny fambolena ary anisan’ny tena marefo ny any amin’ny distrikan’Amboasary.

    Mampanahy mafy ny fanadihadiana navoakan’ny rafitra fampitam-baovao ho an’ny fiaraovana ara-tsakafo sy ny faharefoana (Sisav) farany teo (janoary –febroary 2016). Miharatsy hatrany ny zava-misy any amin’ny faritra Androy, satria marefo ny 95%-n’ny kaominina any an-toerana. Raha noharina ny tamin’ny janoary sy febroary tamin’ny herintaona, tsy nihoatra ny 70% ny tahan’ny faharefoana. Nahatonga izany ny haintany naharitra, ka tsy nisy ny vokatra ara-tsakafo, indrindra ny voamaina sy ny anana, afa-tsy ny vary ihany tany amin’ny distrikan’i Bekily. Misy fanantenana kely kosa ny vomanga sy ny mangahazo ny volana marsa teo sy izao avrily izao. Any amin’ny distrikan’Amboasary, marefo avokoa ny 80%-n’ny mponina.

    Nihena ny tahirin-tsakafo

    Any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany, nisy fivoarana kely ny zava-misy raha oharina ny tamin’ny herintaona. Antony, tsy nisy rivodoza nandalo tany an-toerana, ka afaka namboly tsara ny mponina. Nihena kosa anefa ny tahirin-tsakafo fototra isan-tokantrano sy teny an-tsena, satria nanomboka ny desambra 2015 ny maitsoahitra. Niakatra nosokajina “antonony ny faharefoana” ny 38%-n’ny kaominina any Vatovavy Fitovinany, raha tena narefo ny traon-dasa. Niakatra isa roa koa ny any Atsimo Atsinanana.

    Njaka Andriantefiarinesy

    Les commentaires sont fermées.