Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Madagascar Oil : namboly zana-kazo 35.000

    Madagascar Oil  : namboly zana-kazo 35.000

    Toy ny fanaony isan-taona, mitohy ny fikajiana ny tontolo iainana ataon’ny orinasa Madagascar Oil, any amin’ny kaominina efatra (Ankondromena, Andramy, Beravina, Morafenobe) iasany, misy ny Bloc 3104. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny mponina ny fambolen-kazo iaraha-miasa amin’izy ireo. Tamin’ity taom-pambolena 2015-2016 ity, nahatratra 35.551 ny zana-kazo voavoly tany amin’ireo kaominina ireo. Karazan-kazo nambolena ny kininina (eucalyptus sy grandis), acacia (mangium sy nilotica), ananacardium, gmelia, khaya, ary jatropha, sns. Sahaza tsara ny toe-tany sy ny toetr’andro any an-toerana ireo karazana ireo.

    Nitombo ireo hazo voavoly ireo satria manodidina ny 31.000 ny voavoly ny taom-pambolena 2014-2015. Miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mponina ny Madagascar Oil, amin’ny fambolena sy ny fikojakojana tsy tapaka ny zana-kazo voavoly.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.