Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby : «Marary ny ekipan’ny 3FB », hoy ireo mpilalao tranainy

    Rugby :  «Marary ny ekipan’ny 3FB », hoy ireo mpilalao tranainy

     Misy ady mangatsiaka ao anatin’ny 3FB, taranja rugby ankehitriny. Tsy mifankahazo ireo mpilalao tranainy sy ireo zandry aty aoriana. Marisarisa ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ireo zokibe.

    Na tsy hita mibaribary ety ivelany aza, misy tsy milamina ny ao anatin’ny ekipan’ny 3FB, taranja rugby. Namaky bantsilana izany, tamin’ny mpanao gazety ireo mpilalao fahiny, nandrafitra ity ekipa ity. “Marary ny ekipan’ny 3FB. Tsy manana antoka intsony ny raiamandreny sy ny mpijery amin’ny lalao ataony satria mitaintain-dava na handresy na ho resy isaky ny milalao”, hoy Bôdy, anisan’ireo mpilalao fahiny.

    Nanamafy ihany koa i Dany Be, fa tsy mitovy fomba fijery intsony ny mpilalao ankehitriny sy ny fahiny. “Tsy mihaino izay teny mba lazainay ireo mpilalao aty aoriana, nefa izahay nandray izay nolazain’ireo nitaiza anay ihany koa”, hoy izy. Nolazain’i Sandy (Petite bombe) anisan’ireo mpilalao zokiny indrindra, fa tsy baolina fotsiny no ao amin’ny 3FB fa fitaizana ara-tsaina sy ara-panahy ihany koa.

    Ankoatra izay, somary manjavozavo ny firaisan’ny minisiteran’ny fahalasamana sy ireto mpilalao fahin’ny 3FB ireto.

    Raha ny fahitan’ireto mpilalao fahiny ireto, taorian’ny fahafatesan’Imboharimanana Eugène (L’avant bras) no tsy nilamina intsony ny ekipan’ny 3FB. Na eo aza izany trangan-javatra rehetra izay, tsy hamela ny 3FB ho simba sy rava ireo mpilalao fahiny fa hanarina izany. “Efa misy ny drafitra hoentina amin’izany saingy miandry fotoana ny zava-drehetra”, hoy Bôdy.

     

    Hankalazaina ny 50 taona

     Marihina fa feno 50 taona tamin’ny taona 2015 ny 3FB saingy noho ireo lalao maro natrehina, tamin’iny taon-dasa iny, amin’ity vao hankalazaina izany. Ho fanombohana azy, hisy ny fampirantiana ny tantaran’ny klioba tao anatin’izay fotoana lava be izay. Hetsika izay hatao etsy amin’ny Tahala Rarihasina ny 14 sy 15 avrily, ho avy izao.

    Haseho ao avokoa ireo amboara marobe azon’ny 3FB teo amin’ny fifaninanana natrehiny, ireo sary samy hafa nisy ireo mpilalao nifandimby, ny fanamiana isan-karazany, nanaovan’ny 3FB sy ny hafa.

    Noho ity fotoan-dehibe ity, miantso ireo mpilalao fahiny rehetra, nandalo tao amin’ny 3FB ireo namany sy izay rehetra manana sary na fahatsiarovana tamin’ity klioba ity mba hitondra izany haranty ho hitan’ireo mpankafy.

    Marihina fa misy mpilalaon’ny 3FB avokoa any Frantsa, La Réunion, Afrika Atsimo, Etazonia ary Maorisy.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.