Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taom-panjonoana any Boeny : fampahafantarana ireo hazandranomasina

    Taom-panjonoana any Boeny  : fampahafantarana ireo hazandranomasina

    Mpandraharaha momba ny jono nentim-paharazana sy jono vaventy, trano fisakafoana antonony sy lehibe ary foibem-paritra maromaro, toy ny avy ao amin’ny harena anaty rano sy ny jono, fizahantany, tontolo iainana sy ranomasina no niara-nisalahy tamin’ny faritra Boeny nanatontosa ny fetin’ny hazandranomasina andiany voalohany, nandritra ny herinandro farany tamin’ny volana marsa sy fiandohan’ny volana avrily.

    Antony nanaovana izany : fanamarihana ny fisokafan’ny taom-panjonoana any Boeny, fampahafantarana ireo karazana hazandranomasina maro ao aminy narahina karazana nahandro, fitrandrahana sy ny fiarovana azy, tontolon’ny jono an-dranomasina ary fanadiovana tora-pasika. Endrika tsotsotra ihany no nanamarihana izany noho ny fahateren’ny fotoana.

    Nanome toky ny lehiben’ny faritra Boeny, fa hisy ny andiany faharoa amin’ny taona ho avy ary hatao izay hifanojoany amin’ny fotoam-pialan-tsasatra. Hahazo izay tandrify azy ireo mpiala sasatra no hahita tombony ireo mpisehatra amin’ny jono sy ireo trano fisakafoana matihanina.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.