Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Voasonian’ny praiminisitra ny fametraham-pialany

    Voasonian’ny praiminisitra ny fametraham-pialany

     Nosoniavin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny alahady teo ihany ny fametraham-pialany sy ny governemanta notarihiny ary efa tonga eny Iavoloha. « Natao izany ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena sady hanamafisana ny fametraham-pialako sy ny governemanta. Manamafy koa ny didy ho an’ny fametraham-pialana… », hoy ny voarakitra amin’izany, narahina sonia, araka ny loharanom-baovao.

    Manamafy izany rahateo ny fihaonan’ny praiminisitra teo aloha, Ravelonarivo tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny primatiora eny Mahazoarivo, omaly tamin’ny fananganan-tsaina, toy ny fanao isaky ny alatsinainy. Nisaotra sy nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ity lapa ity ny tenany ary nanambara koa fa vonona ny hanao ny famindram-pahefana sy fitantanana amin’ny praiminisitra vaovao, Mahafaly Solonandrasana.

    Midika izany fa hiroso tsy ho ela amin’izany ny roa tonta ary hitsangana tsy ho ela ny governemanta vaovao, hotarihin’ny minisitry ny Atitany teo aloha.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.