Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambatondrazaka : Sprinter nifatratra tao tranon’olona

     Nitrangana lozam-piarakodia tany Ambatondrazaka akaikin’ny siniben-drano, ny alakamisy 7 avrily 2016 lasa teo. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita izany, nosasan’ny mpamily mpanampy iray teo amin’io toerana io ilay fiara mpitatitra olona. Voalaza fa navelan’ny mpamilin’ilay fiara nihantona teo amin’ny toerany ny fanalahidin’ny fiara. Nony voadio anefa ilay sprinter, tsy fantatra izay nahazo ilay mpamily mpanampy fa novelominy ilay fiara. Nitroatra tampoka ny fiara sady nandeha mafy ka tafahoatra ny lavaka teo anoloany ka nilatsaka teo an-tafon-tranon’olona. Toy ireny napetraka teo ambony tafon-drano mihitsy ilay fiara. Soa ihany fa tsy nisy olona tao an-trano fa saika zava-doza no nitranga. Nivarahontsana ireo olona nahita izany. Tsy nisy, araka izany ny aina nafoy.

    Rarivo

    Les commentaires sont fermées.