Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Analanjirofo : lavanila halatra 3,5 taonina no efa saron’ny polisy sy zandary

    Analanjirofo  : lavanila halatra 3,5 taonina no efa saron’ny polisy sy zandary

    Jiolahy iray no saron’ny polisy tao Mahanoro distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny herinandro teo. Voarohirohy ho nangalatra lavanila maitso tsy mbola matoy milanja 1 taonina ity jiolahy ity. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, amin’ny volana mey ho avy izao no hanatanterahana ny atrikasa handinihana ny fotoam-piotazana lavanila ho an’ny faritra Analanjirofo. Manao ny ataony sahady anefa ny jiolahy amin’iny faritra iny. Vokatra anisany mampidi-bola ny tantsaha amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny rahateo ny lavanila. Nanamafy hatrany ny tompon’andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana ao amin’ny faritra Analanjirofo fa voasokajy ho heloka bevava ara-ekonomika ny halatra lavanila. Taorian’ny fanadihadiana rehetra, nodoran’ny mpitandro filaminana teo imason’ireo solontenam-panjakana any an-toerana ireto lavanila halatra ireto. “Endrika iray ahina hanaratsy ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny lavanila eto Madagasikara izao halatra ataon’ny fahavalon’ny vokatra lavanila maitso sady tsy mbola matoy izao”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques. Nohamafisiny rahateo fa aorian’ny atrikasa vao hamantarana ny tena datin’ny taom-piotazana amin’ity taona 2016 ity sy izay mety ho vidiny.

    Nahatratra hatramin’ny 3,5 taonina ny lavanila maitso halatra saron’ny polisy sy zandary tao amin’ny faritra Analanjirofo, araka ny fampitam-baovao hatrany.

    Hatolotra ny fampanoavana kosa ilay jiolahy voarohirohy tamin’ilay halatra lavanila.

    Sajo sy J.C

    Les commentaires sont fermées.