Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Belalanda – Ambondrolava : velaran-tany efatra hekitara novolena honko

    Belalanda – Ambondrolava  : velaran-tany efatra hekitara novolena honko

    Nohatevenina ny ala honko ao amin’ny kaominina Belalanda, fokontany Ambondrolava. Zanaka honko 43.000 novolena amina velaran-tany efatra hekitara. Zanaka honko atao hoe Tanga no novolena amin’izany amin’ireo karazana honko fito misy sy hita aty atsimo. Tanjona ny hampifandraisana ny ala honko amin’iny morontsiraka avaratr’i Toliara iny, miala eo Belalanda mandalo ao Ambondrolava mipaka any Ambosibostiske. Tokony ho ala honko mikitroka izany no hita amin’iny faritra iny, afaka dimy taona.

    Nambaran’ny lehiben’ny faritra, nandritra izany, fa manana sisin-dranomasina farany izay lehibe indrindra ny faritra Atsimo Andrefana. 250 ha tsy maintsy volena honko hatramin’ny taona 2020 mba hahafahana miaro sisin-dranomasina. Araka ny efa fantatra, maro ny tombontsoa azo amin’ny fisian’io ala io : iveloman’ny trondro sy ny vorona isan-karazany, mampiakatra ny voka-dranomasina. Anisan’ny zava-dehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana koa ny fisian’ny ala honko, koa nentanina ny rehetra hikolokolo fa tsy hanapaka sy hanimba azy ireo. Toerana azo hisarihana mpizahatany ny misy azy any atsimo.

    Ankoatra ny ekipan’ny minisiteran’ny Jono sy ny harena anaty rano, hita nandray anjara ihany koa ny solontena avy ao amin’ny minisiteran’ny Indostria.

    CMS

    Les commentaires sont fermées.