Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fantina sy fintina

    Hotanterahina anio eny Mahazoarivo, ny famindram-pahefana eo amin’ny Praiminisitra teo aloha, ny Jly Ravelonarivo Jean sy ny vaovao, Mahafaly Solonandrasana Olivier. Anisan’ny ho avy hanatrika izany eny an-toerana, ankoatra ny mpanao gazety ireo solontena sasany eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola. Manampy izany, ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta Ravelonarivo Jean.

    Handray ny asany avy hatrany ny praiminisitra vaovao, aorian’izany lanonana ofisialy izany.
    Tombanana koa fa mety tsy hihoatra ity herinandro ity ny hananganana ny governemanta Mahafaly Solonandrasana.

     

    Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny depiote Tim, Rakotomanjato Rodin, omaly. Nesorina ny praiminisitra, nefa tadiavina ny fitoniana politika. Maninona raha ireo minisitra tsy manao ny asany no esorina? Ireny no tokony hoesorina avokoa… , hoy izy teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fanoloana praiminisitra.

    Mahamenatra ireny fanalana praiminisitra ireny. Iza izao no tena halam-bahoaka: ilay nilaza hoe nametra-pialana ny praiminisitra sa ilay niteny hoe tsy nametra-pialana izy? Aleo hotsarain’ny vahoaka… Voky lainga izahay any ambanivohitra any, hoy izy.

    Esorina ny praiminisitra. Inona ny fahadisoana lehibe nataony? Iza no nanao ny fifanarahana tany amin’ny HCC hoe tsy tokony hoesorina avokoa izy ireo, fa ilaina ny fiaraha-miasan’izy ireo mba hahafahan’ny fanjakana miaina…?

     

    Les commentaires sont fermées.