Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    RFC Andiany faha-11 : niakatra ny lentan’ireo sarimihetsika hifaninana

    Hisokatra ny zoma 15 avrily izao ny andiany faha-11 amin’ny hetsika ho an’ny sarimihetsika fohy, « Rencontres du film court » (RFC). Mpanatontosa sarimihetsika 17 no voafidy hifaninana sy haneho ny sanganasany mandritra izany. “Efa nanomboka nijery ireo sarimihetsika hifaninana izahay ary resy lahatra fa niakatra ny lentan’izy ireo amin’ity andiany ity”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny komity mpikarakara ny RFC.
    Efa vonona ny komity amin’ny fiatrehana ny hetsika. Ankoatra ny fifaninana, hisy ny fandefasana sarimihetsika fohy maromaro, fampirantiana, atrikasa, fihaonan’ny matihanina sy ny mpankafy, sns.
    Eo antokotanin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo no hanomboka ny RFC andiany faha-11 ny zoma izao. Hiparitaka amin’ireo ivokolo samihafa kosa ny hetsika sasany. “Ny handehanan’ireo sarimihetsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray no hatao tanjona ain’ity taona ity, ary efa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny TV Monde Afrique mikasika izany”, hoy hatrany ny mpikarakara.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.