Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tabera Randriamanantsoa : “Misavoritaka ny raharaham-pirenena”

     “Mampalahelo ny firenena… Tsy misy raha manjary intsony, fa ny tiana hatao no atao. Tsy mino aho hoe ho tafavoakan’ny praiminisitra vaovao ny baolina, satria misavoritaka ny raharaham-pirenena”, hoy ny minisitra teo aloha sady filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa, tao amin’ny haino aman-jery iray, omaly.

    Tamin’ny voalohany, niteny ny Praiminisitra Ravelonarivo fa tsy nametra-pialana. Nefa ny didim-panjakana nilaza hoe nametra-pialana izy. Efa tsy mety izany, araka ny fanazavany.

    Rehefa banga ny toeran’ny praiminisitra: tokony ho niantso ny Antenimiera amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny filohan’ny Repoblika na ny governemanta.

    Hatolotry ny maro anisa amin’izany anaran’ny ho praiminisitra. Tsy manolotra izany ny depiote na ny filohan’ny Antenimierampirenena, fa ny manana ny maro anisa ihany, araka ny nambarany. Tsy azon’ny depiote hatao ny mankany amin’ ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy manaraka ny lalàmpanorenana izany. Ho hitantsika eo ny tohiny, hoy izy.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.