Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tanora tsy tara – Lasa aretin-tsaina… : mahazo vahana amin’ny tanora ny « chirurgie esthétique »

    Tanora tsy tara – Lasa aretin-tsaina… : mahazo vahana amin’ny tanora ny « chirurgie esthétique »

    Tsy loza mitatao, saingy mitady ho lasa aretin-tsaina izy ity. Maro ireo « complexés » amin’ny vatany ka mirona amin’ny « chirurgie esthétique ».

    Mazava loatra fa rivotra nitsoka avy any ivelany izy ity. Taloha, ny tarehy no ratsy ka ny volo no haolanolana. Izao kosa, efa azo ovaina hatramin’ny tarehy sy ny bika ary mihatanora ireo roboka amin’izany! Diso ny fiheverana fa ireo efa nahazo taona, indrindra ireo ramatoa manan-katao no mitona amin’ny fanovana endrika sy bika amin’ny alalan’ny fandidiana (chirurgie ésthétique). Any ivelany, tovovavy vao 15 taona, rehefa mahatsiaro tsy fahatomombana amin’ny vatany dia efa miroso amin’izany. Lafolafo ny sarany, kanefa efa misy ireo mpitsabo manatontosa izany. Ireo tovovavy efa miasa aloha no tena roboka.
    Fanangezana nono, fanitsiana orona sy sofina mivilana, fanenana molotra, fanalana kentrona, sns. Ireo matetika no te hanatonan’ireo tovovavy ny mpitsabo mpanao ny “chirurgie esthétique”.
    Inona no nampirongatra izany? “Mety ho vokatry ny niainany hatramin’ny fahakely io. Mety ho nohadrohadroin’ny namany izy tamin’ny fahakeliny noho ny tsy fetezana amin’ny tarehiny na amin’ny vatany. Mety ho fitsiriritana ny namany hafa, ao anatin’ny miala sakana ihany koa. Misy kosa anefa tena aretin-tsaina mihitsy, satria tsy mety afa-po amin’ny tarehy sy bika fa mitady zavatra hafa foana. Io lafiny io no tena ratsy satria mety hanimba vetivety, indrindra raha mbola tanora”, hoy ny fanazavan’ny “psychiatre” iray, izay manaraka ny tontolon’ny tanora.

    Les commentaires sont fermées.