Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambatondrazaka : manjaka ny dahalon-tany

     Tsy ny asan-dahalo manerana ireo faritra mena ihany no isan’ny mampimenomenona ny olona amin’izao fotoana izao fa eo ihany koa ireo dahalon-tany izay tsikaritra fa mihamirongatra hatrany. Velon-taraina ny fianakaviana maromaro niharan’ny fisolokiana tany ao amin’ny fokontany Miaramanjaka, kaominina ambanivohitra Manakambahiny, distrikan’Ambatondrazaka. « Ny taona 1993 no nitrangan’izany tao an-toerana satria tany mirefy 500 ha mahery ity nisy nanodinkodina tamin’ity fisolokiana ity. Efa nandalo tamin’ireo ambaratongam-pitsarana ny raharaha, saingy very an-javony anefa izany satria tsy mety miala ireo olona mibodo ny taninay fa hoe misy olona ambadika miaro azy ireo”, hoy ny fanazavan-dRandriambeloson, solontenan’ny fianakaviana nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly momba ity raharaha ity. Niitatra tamina velaran-tany hafa indray izay mirefy 138 ha izany taty aoriana ka ireo olona teo aloha ihany no tompon’antoka tamin’izany, raha ny fanampim-panazavana. Manoloana izany, misy fiantraikany goavana amin’ny fiainan’ireto fianakaviana ireto ity fibodoana tany ataona andian’olona ity. Niantso ny tompon’andraikitra voakasik’izany rahateo izy ireo mba hijery akaiky ny momba ity raharaha ity satria manjakazaka tanteraka ireo andian’olona voalaza fa misy mpiaro ireo.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.