Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fampianarana : hotokanana ny Oniversite FJKM Ravelojaona

     Hotokanana anio ny oniversite FJKM Ravelijaona etsy Ambatobevanja (Onifra-Ess) . Iarahana amin’ny biraon’ny mpiandraikitra foiben’ny FJKM sy ny komitin’ny Onifra ary ny komitin’ny 3FJKM ny hetsika.

    Hisy ny fanompoam-pivavahana entina hanokafana ny fotoana izay iarahana amin’ny mpitandrina profesora Ratsimbazafy Claudine. Aorian’izay ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalam-piofanana momba ny fahasalamana.

    Ny tolak’andro, hisy ny famelabelaran-kevitra iarahana amin-dRtoa Andriamiamina Sahondra, talen’ny arsivam-pirenena. Eo koa ny fandraisan’anjaran’ny mpitandrina Ramambason Laurent mikasika ny vinan’ny FJKM tarafina amin’ny Onifra-Ess.

    Ankoatra ireo ny fanaovana topimaso mikasika ny sanganasan-dRavelojaona, mpitandrina izay hataon’ny mpitandrina Andriamahazosoa Ammi.

    Hitohy hatramin’ny rahampitso ny famelabelaran-kevitra izay mahakasika lohahevitra maro.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.