Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tapany avaratra : hitondra orambe sy rivotra i Fantala

     Na tombanana tsy hiditra an-tanety aza ilay rivodoza Fatala izay mihamitombo hery hatrany tao anatin’ny roa andro nanaraha-maso azy, hitondra ora-mikija sy rivo-mahery izy ho an’ny morontsiraka avaratra iray manontolo, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Tany amin’ny 1 860 km atsinanan’i Vohemar no nisy ny foibeny, omaly, maraina tamin’ny 9 ora. Manohy ny diany miankandrefana izy ary manana hafainganam-pandeha 18 km isan’ora. Mitondra rivotra 130 km sy tafiotra 180 km isan’ora izy. Hitombo hatrany ny heriny araka ny fanazavan’ny eny Ampandrianomby. Ny onjan-dranomasina efa mahery be ka nisy ny filazana ho an’ny mpiandriaka rehetra, ny rivotra rahateo hitsoka mafy.

    Amin’ny fiandohan’ny herinandro vao hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro amin’ny tapany avaratra i Fatala raha manohy ny diany araka ny tombana. Anisan’ny faritra efa nitondra faisana amin’ny ora-nikija ny ilany avaratry ny Nosy. Teo ny fahatapahan-dalana vokatry ny orambe. Nisy andro maromaro, tsy azo nampiasaina ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Antsiranana fa nisy ampahan-dalana rava.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.