Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : maika (t)sy faingana…

    Inona no antenain’ny sarambabem-bahoaka amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Matoa mitranga izao, efa nisy fototra sy antony teo aloha… Tsy tongatonga ho azy, ahina mbola hiverina raha tsy milamina tanteraka.

    Ny mahavalalanina sy mahafanina ny vahoaka, hazakazaka arahin-tosika ny raharaha. Toy ny hoe izao vao tena hatrehina ny fanarenam-pirenena izay ela izay. Na ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka, ny fampandrosoana…

    Misy ny manahy ny raharaha ho maika tsy faingana, fa tsy mahalasa lavitra ny hazakaza-dava sy ny firotorotoana. Antony politika mahazatra? Ady tombontsoa manokana amin’izao, na paipaika sy kajikajy amin’izay ho avy…

    Ho an’ny vahoaka, andrasana izay fiovam-piainana haingana sy mivaingana: fanalefahana vidim-piainana, fandriampahalemana, famoronana asa… Maika hahita ny vokatra ny vahoaka, raha faingam-piasa ny mpitondra.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.