Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haltérophilie – Afrika 2016 : atleta fito mianadahy hanafika any Kameronina

    Haltérophilie – Afrika 2016 : atleta fito mianadahy hanafika any Kameronina

    Fantatra fa handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, isika. Atleta fito mianadahy kosa no mandrafitra ny ekipam-pirenena amin’izany.

    Mazava. Handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, sokajy “seniors” lahy sy vavy, i Madagasikara. Fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahina, ny 5 hatramin’ny 15 mey, any Yaoundé, Kameronina.

    Araka izany, atleta fito mianadahy (dimy vavy sy roa lahy) no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’izany. Raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy (FMHMC), Randriamanarivo Harinelina, efa nandalo fitsapana maromaro ireo atleta nahafahana nifantina azy ireo. Izany hoe, niatrika fifaninanana tsapa intelo niantoana izy ireo vao afaka namoaka ny lisitra ny ekipa nasionaly ny teknisian’ny federasiona. Araka izany, voalaza fa efa ao anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipa nasionaly, amin’izao fotoana izao.

    Nambaran’ny filohan’ny federasiona hatrany fa na efa nivoaka aza ny anaran’ireo atleta mandrafitra ny ekipa nasionaly ka manaraka fampivondronana, tsy maintsy mbola mandalo fitsapana izy ireo aoriana kely ao.

    Marihina fa fifaninanana fisokajiana Olympika amin’ny “Lalao Olympika 2016” (J.O) any Rio, Brezila, ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Kameronina ity.

    M.N.

    Ny ekipa nasionaly

    Vavy :

    • Randafiarisoa Rosina (48 kg)
    • Ratsiravolatiana Malalaniaina (53 kg)
    • Randrianandrasana Sitraka (58 kg)
    • Ravololoniaina Vania (63 kg)
    • Andrianasolo Mendrikaja (69 kg)

    Lahy :

    • Andriantsitohaina Eric Herman (56 kg)
    • Andriantsitohaina Alain Tojonirina (62 kg)

    Les commentaires sont fermées.