Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haody : mila tohizina ny asany

    Nindaosin’ny fahafatesana i DI… Andrarezin’ny kolontsaina sy fanabeazana. Nahatanteraka asa goavana maro izy teo amin’ireo tontolo roa ireo. Iray amin’ireny ny fiarovana sy fampivelarana ny teny malagasy. Tsy tokony hijanona hatreo fa mila fanohizana ny vitan’i DI…

    Tsy vita mora anefa izany. Mila finiavana, fandavantena, faharetana, saina tia mikaroka, sns. Manana ireo toetra ireo ve anefa izay manan-kevitra ny hanohy ny lalana efa nosoritan’i DI… ? Tsy azo hajanona hatreo anefa ny asa efa natombony, fa mila hatevenina. Mbola misy rahateo ny asa miandry mitady mpanohy. Iray amin’ireny ny fanangonana voambolana isan-tsehatra… Ka hiroso sa hijanona amin’izao ?

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.