Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby – «Tournoi de vacance» : hatao rahampitso ny famaranana rehetra

    Hotontosaina, rahampitso asabotsy 16 avrily izao, eny amin’ny kianja Sabotsy-Namehana ny famaranana hiadiana ny amboara «Tournoi de vacance de pâques», taranja rugby sokajy «cadet» sy «junior». Fihaonana izay karakarain’ireo mpianatra avy ao amin’ny ANS Ampefiloha, «option rugby», tarihin-dRandrianantenaina Imboasalama Andry. Anisan’ny misongadina amin’izany ny «cadet», hifanandrinan’ny XV Dakar Manjakaray sy ny Sab-Nam. Ala vela izy io, satria efa resin’i Manjakaray ry zareo tompon-tanàna nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona. Fihaonana izay hanomboka amin’ny 12 ora antoandro. Amin’ny 1 ora ny famaranana eo amn’ny «école des clubs» hifandonan’ny JSTA Ambondrona sy ny XV Oval. Hanaraka izany, ny an’ny «école de rugby» hifanandrinan’ny USA Ankadifotsy sy ny Fitamiba. Amin’ny 3 ora ny famaranana «junior» ka hifampitana ny EREV 3F5 Amboditsiry sy ny XV Dakar. Marihina fa tanjona ny hisorohana ny hala-taona eo amin’ny mpilalao ary hiadiana amin’ny zava-mahadomelina eo amin’ny tanora ary fitiliana ireo taninketsan’ny rugby.

    Ankoatra ireo lalao famaranana rehetra ireo, hisy fampisehoana ny fomba filalao rugby sy fanentanana samy hafa, atao ny maraina.

     Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.