Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taratry ny kanto

    Nodimandry i Eléonore Rasolofomanana

    Nindaosin’ny fahafatesana, ny alarobia 14 avrily teo, rehefa nivahiny 84 taona teto an-tany, i Eléonore Rasolofomanana. Feo anisan’ny niavaka tao amin’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM) tamin’ny fotoanandrony. Niandraikitra fanentanana fandaharana maro. Anisan’ireny ny « Angano », fandaharana ho an’ny ankizy isaky ny alarobia hariva. « Ny tokantranoko », niresahana ny fiainan’ny mpivady sy ny zanaka.

    Ankoatra izay, nanoratra sy nilalao ary nandrindra tantara ihany koa izy. Marobe tokoa ny tantara narindrany ho azo henoina amin’ny Radio. « Lalasoa », io no solon’anarana nentiny amin’ny maha mpanoratra azy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana ny Gazety Taratra.

     

    Les commentaires sont fermées.