Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tononkalo : Tsy mety ho very “Di…”

     

    Raha tsy maintsy izao no tendry
    dia ho hay zakaina ihany
    izany very olomanga
    fa toa mora hita ireny?
    Saingy ilaozan’olon-kendry
    ka mirotsaka tomany
    sy mahatsiaro ho tena banga,
    Mila tsy hahitana teny!

    Ngolingolin’alahelo
    am-panohizana ny “Di…”
    ka eh! Manjombona sy ory
    Ny tontolo, vonton-tsaona
    Fa tsy misy roa na telo
    toa anao ty tany ity
    ka nony izao ianao matory:
    Mamanala lohataona!

    Asa! Toky no homena
    handrianao am-piadanana
    Ô ry olon-Di… malala
    lasana niova lasy:
    Tsy havelanay hosena,
    hokoloina, ho fananana
    ary tena ho fandala
    itony TENY MALAGASY !!

    Hoentinay ity fanilo
    mandra-pialanay ny tany
    fa mba mitsinjova ihany!

    Ny R. FIDIMANANTSOA

    (Nosoratana taorian’ny fahalasanan-dRahaingoson Henri, na i Di…)

    Les commentaires sont fermées.