Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsenan’ny tantsaha Antsirabe : an-tapitrisany ny fahavoazana vokatr’ilay haitrano

    Tsenan’ny tantsaha Antsirabe  : an-tapitrisany ny fahavoazana vokatr’ilay haitrano

    Nijoalajoala ny afo! Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin’ny tsenan’ny tantsaha ao Antsirabe, afakomaly hariva. Trano ampolony ireto nirehitra ireto izay voalaza fa fitobian’entan’ireo mpamongady sady toerana fiantsenan’ireo mpiantoka. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana naharitra ora maromaro ny firehetan’ny afo izay tsy voafehy intsony noho ny fijoalajoalan’ny afo. Voalaza fa afon-dabozia nirehitra tao amina tranohazo iray no niantombohan’ny afo, araka ny fitantaran’ireo nahita ny fitrangan’ny loza. Vokany, tranohazo miisa 14 indray kilan’ny afo. Olona am-polony maro ireo traboina rava fananana vokatry ny fahamaizana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy ny ben’ny Tanànan’Antsirabe renivohitra Razanakolona Paul, omaly sady nankahery ireo niharam-boina. Nohamafisiny fa ho hentitra amin’izay ny kaominina manomboka izao amin’ny fanaraha-maso satria tsy ekena intsony ny fanorenana tranohazo ao amin’ny kaominina Antsirabe. Miainga avy amin’ireny tranohazo ireny hatrany matetika ny haintrano mitranga amin’izao fotoana izao.

    Nifanindran-dalana tamin’ity haintrano ity koa ilay nitranga tao Bazaribe Mananjary.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.