Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fahasalamana : miandrandra minisitra hentitra amin’ny kolikoly ny olon-tsotra

    Rova, tanora mpianatra

    Tena mandringa tanteraka raha ny tontolon’ny fitsaboana eto amintsika. Mila manarina izany izay ho minisitra vaovao eo. Hentitra amin’ny tsolotra anelankelan-trano ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny hopitaly. Mahasahy manasazy ary mahavita manara-maso akaiky ny zava-mitranga eny amin’ny toeram-pitsaboana. Mila mamaky bantsilana ny zava-miafin’ny vaksiny gaboraraka omena lava ny ankizy malagasy io ihany koa izay minisitra tonga eo. Raha tsy mahavita an’ireo dia aza mandray ny toerana mahaminisitry ny fahasalamana akory.

    Landy, dokotera

    Dokotera aho no miteny ary anisan’ny niharan’ny fanararaotana nataon’ny mpiasan’ny hopitaly tamin’ny nitondra marary tamin’ireny toerana ireny. Maloto ny sehatry ny fahasalamana eto amintsika ka mila diovina. Mila jerena akaiky ny fampitomboana ny isan’ny dokotera ho mpiasam-panjakana, fa tsy avela hirenireny ireo nahavita fianarana. Mila minisitra mafy saina, sahy manova zavatra, manao dingana fa tsy mitavozavoza sy manara-drenirano ny nataon’ny teo aloha fotsiny.

    Tatiana A

     

    Les commentaires sont fermées.