Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisitry ny fanatanjahantena : mbola voatana amin’ny toerany i Jean-Anicet

    Manohy ny asa efa nosahaniny tamin’ny governemanta Ravelonarivo ny minisitry ny Fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean-Anicet. Mbola izy no voatendry hisahana izany minisitera izany amin’ity governemanta Mahafaly Solonandrasana ity. Antenain’ny maro fa hamaly ny hetahetan’ireo mpanao fanatanjahantena malagasy izy. Raha tsiahivina mantsy, betsaka ireo manana olana aminy noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ireo atleta miatrika fifaninanana iraisam-pirenena, ohatra. Tsy mbola hita taratra aloha, hatreto, izay zava-bita nisongadina hatramin’izay. Miandrandra tontolo tsaratsara noho ny teo aloha, araka izany, ireo milona ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, manomboka eto. Marary mantsy ity tontolo ity ka tsy mahazo vokatra tsara ny atleta rehefa miatrika fifaninanana iraisam-pirenena.

    Les commentaires sont fermées.