Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nanolotra rano 3 000 : miara-dalana amin’ny Smile ny Star

    Nanolotra rano 3 000  : miara-dalana amin’ny Smile ny Star

    Nanolotra tavoahangin-drano 3 000 ho an’ireo olona sima niatrika fandidiana ao anatin’ny hetsika Smile, teny amin’ny HJRA, izay nifarana omaly ny orinasa Star. Fandidiana andiany faha-13 no notanterahina teny Anosy. Nanomboka ny taona 2007 nisantarana ny asa teto amintsika, manodidina ny 1 900 ny olona ankizy sy tanora nahazo tombontsoa teto Antananarivo, Antsirabe ary Toamasina. Ny taona 2015, olona 419 no voadidy ary 170 ny marary nozahana fahasalamana. Natokana ho an’ny olona ahitana lavaka eo amin’ny lanilany na eo ambonin’ny molotra ambony ny fandidiana. Miparitaka tamin’ny firenena 60 ny asa fandidiana maimaimpoana tahaka izao hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Miasa maimaimpoana avokoa ny mpitsabo sy mpiasa mandritra ny fandidiana.

    Namorona ny hetsika ny taona 1982 i William Magee sy ny vadiny Kathleen, rehefa avy nivahiny tany Filipinina izy ireo. Niara-dalana amin’ny mpikarakara ny hetsika hatrany ny orinasa Star hatramin’ny nanaovana ny fandidiana teto amintsika. Anisan’ny lohahevitra iasan’ny orinasa ny fahasalamana ho an’ny olona sahirana amin’ny ankapobeny.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.