Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Raha hiova ny mpitantana… : tokony hitohy ny fandraisana mpampianatra

    Anisan’ny nisy fivoarana lehibe ny tontolon’ny fampianarana, indrindra ho an’ireo mpampianatra Fram voaray ho mpiasam-panjakana tao anatin’ny taona maromaro. Raha hiova ny mpitantana ny ministera ao anatin’ny governemanta vaovao, irariana ny hanohizany ny fandraisana mpampianatra. Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana rahateo koa ny minisitera ka tokony tsy hisy ny fanovana ny fomba fiasa hampitarazoka ny asa. Asa mbola miandry ny ekipa hoavy eo ny fanatsarana ny fandoavana ny fanampin-karaman’ny mpampianatra avy amin’ny fitondrana ho an’ireo tsy voaray ho mpiasam-panjakana. Hatramin’izao, betsaka ny fitarainana azo any amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra momba ny fahataran’ny fanefan’ny mpitondra ny karama. Lasa voatery mitrosa hatrany ny mpampianatra Fram.

    Ezaka mahomby koa, ny fanentanana ny ray aman-dreny handrotsaka ny kilonga hianatra ka mety raha tohizana indrindra ny famerenana ny sakafo an-dakilasy.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.