Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fantina sy fintina

    Napetraka sy nosalorana samboady, ny zoma teo, ireo loholona sivy voafidy sy notendrena any amin’ny faritanin’Antsiranana. Nambaran’izy ireo fa hitady ny fomba rehetra hampandrosoana iny faritra iny izy ireo. Nitarika izany sady nitokana ny tranon’ny Antenimierandoholona any an-toerana ny filohany, Rakotomanana Honoré.

    Nandamoka sy tsy raikitra ny hetsika an-dalambe ny asabotsy teo. Nikasa hanao amboletra na tsy nahazo alalana aza ireo mitonona ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa ka ho eo amin’ny kianjan’ny 13 mey ary ireo mpanao politika sasany ho eny Ambohijatovo. Tsy naharototra ireo olona izany. Efa niatrana rahateo ny Emmo/Reg.

    Les commentaires sont fermées.