Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsipy kanetibe : hitory ny federasiona ny klioban’ny CBT

    Tsipy kanetibe  : hitory ny federasiona ny klioban’ny CBT

    Nilaza ny filohan’ny Club Bouliste de Tananarive (CBT), ny jeneraly Dieu-Donné Alphonse fa hitory ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FMP) eny amin’ny fitsarana (conseil d’etat), mahakasika ny fanasaziana an’i Tonitsihoarana Alhenj Zoel (Toutoune), mpilalao ao aminy, tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana karakarain’ny seksiona sy ligy ary federasiona na klioba na fikambanana anjara, mandritra ny 5 taona.

    Nambaran’ity tomponandraikitra voalohan’ny CBT ity fa tsy fitiavana an’i Toutoune izao fanapahan-kevitra izao ary fanapotehana azy, amin’ity taranja ity. Notsiahiviny, tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, fa ny fanambaran’i Toutoune ny zavatra tsy nety ka nitakiany ny zony, tamin’ny niatrehany ny “Masters 2015”, teo anoloan’ny mpampahalala vaovao, no tsy nahafaly ny federasiona ka naka izao sazy henjana izao. “Noteren’ny federasiona hifona i Toutoune, raha mbola te hanao “Masters”, saingy tsy nanaiky hanao izany”, hoy ny jeneraly Dieu-Donné Alphonse.

    Ankoatra izay, hampahafantatra izao zava-misy izao amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena koa ny CBT. Marihina fa na teo aza ny sazy nomena an’i Toutoune, mbola nandray anjara, tamin’ny fifaninanana “Doublette Boss”, natao tao amin’ny CBT, ny asabotsy sy omaly alahady, i Toutoune. Niray hina moa ireo mpandray anjara rehetra fa tsy manaiky raha tsy milalao i Toutoune, tamin’izany fihaonana izany.

     Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.