Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : samy efa nanome toky avokoa

    Nandritra ny famindram-pahefana maromaro natao omaly, samy nilokaloka ireo minisitra vaovao fa hanao ezaka avokoa. Raha ny tena marina, izay fitondrana na governemanta vao nitsangana rehetra samy efa nanome toky toy izany avokoa. Nahitana fiovana betsaka amin’izao governemanta fahatelo nitondran’ny filoha Rajaonarimampiana Hery izao, ny mahakasika ny sehatry ny toekarena. Ny amin’ny fambolena, angovo, harena an-kibon’ny tany, fitaterana, sy ny hafa. Zava-dehibe daholo ireo iankinan’ny fiainam-bahoaka maro ary tokony hampiakatra ny harinkarena eto amin’ny firenena. Nahoana ary hatramin’izay, tsy hita taratra izany ?

    Nanao kajy ny Instat namoaka tarehimarika, mahakasika seha-pihariana maro nandritra ny taona maro nifanesy (zahao lahatsoratra p.7). Voaporofo fa tsy tanteraka ireo toky nomen’ireo tompon’andraikitra nandray izany fahefana izany tany aloha. Marina fa tsy ny minisitra ihany akory no manao ny asa fampandrosoana rehetra, samy manana andraikitra tandrify azy ny olom-pirenena rehetra, saingy izay eo amin’ny fitondrana aloha no tompon’andraikitra voalohany, manatanteraka ny politika ankapobeny nofaritan’ny fitondram-panjakana.

    M.C

     

    Les commentaires sont fermées.