Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisitry ny indostria Chabani Nourdine : « Hotohanana ny orinasa madinika PME »

    Minisitry ny indostria Chabani Nourdine  : « Hotohanana ny orinasa madinika PME »

    Vita, omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina vaovao, Chabani Nourdine, sy ny teo aloha, Rafidimanana Narison. Nambaran’ny minisitra vaovao fa anisan’ny hataony laharam-pahamehana ny fanohanana sy ny fitsinjovana ny orinasa madinika sy ny salantsalany (PME), indrindra ny orinasa malagasy. “Noraisiny ohatra ny hamaroan’ny indostria any India, ka azo alain-tahaka tsara”, hoy izy.

    Momba ireo mpandraharaha vahiny miasa eto amintsika, nambaran’ny minisitra Chabani Nourdine fa ilaina ny fifaninanana eo amin’ny fandraharahana, fa mila jerena koa ny hampiroborobo ny indostria malagasy.

    Teo koa ilay teny filamatry ny praiminisitra vaovao, amin’ny hoe “governemanta hiady”. Ho an’ity minisitra vaovao ity, vonon-kiady matoa nandray izao andraikitra vaovao izao. Tsiahivina fa filohan’ny Federasiona antenimieran’ny varotra sy ny indotria eto Madagasikara (FCCIM), teo aloha, ny minisitra Chabani Nourdine.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.