Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lalana Soanierana Ivongo-Vahibe : nahazoana 10 tapitrisa dolara avy amin’ny Ofid

     Vita tany Washington, nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpamatsy vola ny herinandro lasa teo, 15-17 avrily, ny fanaovan-tsonia fampindramam-bola ho an’i Madagasikara hanaovana ny lalana Soanierana Ivongo-Vahibe any amin’ny faritra Analanjirofo. Nitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, Rakotoarimanana Gervais. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fitondram-panjakana ny hanamboarana io lalana io, tapany voalohany Soanierana Ivongo-Vahibe ary faharoa Vahibe hatrany Mananara Avaratra. Koa io tapany voalohany io, nahazoana 10 tapitrisa dolara avy amin’ny Ofid na tahiry ho an‘ny fampandrosoana, vola avy amin’ireo firenena mpamokatra solika mpikambana ao amin’ny Opep. Tanjona amin’io asa io ny hanamorana ny fifandraisan’ireo kaominina any amin’iny faritra iny, ho fanafainganana ny raharaha any amin’ny fanjakana, indrindra ho famoaham-bokatra.

    Nandritra io fivoriana io ihany koa ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fitantanam-bola tamin’ny filohan’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), nifampidinihana ny fiaraha-miasa. Mifandraika amin’ny politikan’ny Bad aty Afrika ny politika momba ny fampandrosoana ataon’ny fanjakana malagasy ankehitriny. Nisy ihany koa ny fotoana nihaonan’ny delegasiona malagasy tamin’ireo tompon’andraikitra ambony ao aminy FMI sy ny Banky iraisam-pirenena.

    R. Mathieu

    Les commentaires sont fermées.