Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toetr’andro : nihanalefaka ilay rivodoza Fantala

    Raha ny tatitra nataon’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby omaly, niha nalefaka ny herin’ilay rivodoza Fantala. Niverin-dalana ity rivodoza ity, omaly, tamin’ny 3ora maraina. Niverina ho “cyclone tropical” izy. 150km isan’ora ary 222 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy manodidina ny foibeny. Omaly, tany amin’ny 350 km (09.3s/50.0e) avaratra somary avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foibeny. Mikisaka miadana miatsinanana izy amin’izao ary mihena ho 04 km isan’ora ny hafainganam-pandehany. Tombanana ho 4 sy 5 metatra ny haavon’ny ranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefana manamorona an’Antsiranana. Mandrivotra hatrany ny tapany avaratry ny Nosy vokatry ny fisian’i Fantala.

    Iangaviana hatrany ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefana eo anelanelan’i Nosy-Be sy Antsiranana mba tsy hiandriaka, fa mahery be ny ranomasina. Arahi-maso akaiky hatrany ny fivoarany.

    Nizotra mianatsimo ny dian’i Fantala nanomboka halina.

    Tatiana A

     

    Les commentaires sont fermées.