Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Raim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tany Ampanihy, afakomaly. Fiara kamiaobe Mercedes Benz nitondra olona miisa 15 ka polisy ny roa amin’ireo ity niharan-doza ity. Voalaza fa tapaka “demi-arbre” ilay fiarabe. Taitra tampoka noho izany ilay raim-pianakaviana niharam-boina ka nitsambikina nivoaka ny fiara. Vokany, voahitsaky ny kodiarana ny tongony roa. Naratra mafy izy ka nentina haingana teny amin’ny hopitalin’Ampanihy, saingy namoy ny ainy teny an-dalana. Tsy nisy naratra kosa anefa ireo olona niaraka taminy.

    Notinapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly fa ny Jly Ramiandrisoa Daniel no voatendry ho Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena raha ny Jly Razafindrakoto Lantoarinjaka kosa ny Cemgam. Samy efa nisahana andraikitra goavana avokoa ireto manamboninahitra ambony ireto.

     

    Les commentaires sont fermées.