Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : maro manadino, mora manadio…

    Ahoana ihany ny fanendrena praiminisitra sy ny governementa tonta navadibadika? Resabe etsy sy eroa, tsy mety vita… Tsy ara-dalàna? Na tsy ara-drariny… Tsy nahomby ny teo aloha, ka nosoloina. Nefa ny teo aloha na ny tonta ihany no nakana ny hoe vaovao. Hafahafa, sampontsampona… Mila fandinihana.

    Tsy vitan’izany, maro ny manadino ny zava-bitan’ny teo aloha lazaina ho vaovao. Mora manadino ny olona? Raha tsy hampahatsiahy ny tsy fanarahan-dalàna nitranga tamin’ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana loholona, tamin’ny taon-dasa, nampitaraina ny maro fotsiny, ohatra. Mila fanitsiana.

    Tsy vitan’ny hoe mora manadino ny olana, fa maro koa ny mora manadio. Lasa tsy mampaninona intsony ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanaovana ny tsy rariny? Vitavita ho azy, tsy hitahita ho an’ny rehetra… Hanao ahoana ny ho avy sy ny firenena ary ny taranaka, raha toy izany hatrany? Mila fanovana.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.