Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Revy Njila » : mandalo an-tanindrazana i Solofo

    Anisan’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Njila, monina any ivelany i Solofo. Tsy mifamotoana hiaka-tsehatra akory ny tarika, saingy mandalo eto an-tanindrazana ity mpikambana iray ity amin’izao fotoana izao. Tsy havela handalo fotsiny, fa hanararaotana hamerenana kely ny « Revy Njila » izany. Araka izany, hisy ny seho iarahana amin’i Solofo sy i Hery izay samy mpikambana ao amin’ny tarika, anio alina etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Hanampy an-dry zalahy ireto i Lilie, izay efa mpiaraka an-tsehatra amin’ny tarika Njila ihany. Eo koa i Luk sy Sefo ao amin’ny tarika Johary, izay mpankafy hatramin’izay. Mandra-piandry ny seho goavana iarahana amin’ny tarika iray manontolo, ny “Revy Njila” aloha no fiononana ho an’ireo mpankafy.

    Zo ny Aina

     

    Les commentaires sont fermées.