Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Bianco : nanao fanambaram-pananana ny polisy

    Bianco  : nanao fanambaram-pananana ny polisy

    Tonga nanatitra ny fanambaram-pananan’ireo Officier de police judiciaire (OPJ) eo anivon’ny polisim-pirenena teny amin’ny Bianco, omaly maraina, ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera no nitarika izany. Ny tale jeneralin’ny Bianco kosa no nandray ireo antontan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananana. Nilaza izy fa anisan’ny fanatanterahana adidy amin’ny fanambarana ny fananana ny fahatongavana toy izao ary indrindra koa hitandroana ny fenitra napetraky ny fanjakana amin’ny fangaraharana eo amin’ny fitondram-panjakana. Asan’ny rehetra ny fikarohana ny fandikan-dalàna manoloana ny ady amin’ny kolikoly ka anton’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny roa tonta izany.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.