Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hira malagasy : hanokatra taom-pikatrohana ny Sehatra BaGasy

    Hira malagasy : hanokatra taom-pikatrohana ny Sehatra BaGasy

    « Mampiaina sy mampitempo ny bagasy ao am-pon’ny Malagasy ». Dingana sy tanjona anisan’ny omen’ny Sehatra BaGasy lanja io. Sokafana, rahampitso tolakandro ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny taom-pikatrohana 2016 ho an’ity sehatra ivondronana tarika maro ity. Anisan’ny handray anjara amin’izao fampisehoana fanokafana izao ny tarika Tsi-Ahy, Angola Itokiana, Tafasiry Kolo Kanto, Karoka-Dinarson, Judh Gasy ary Zanakantitra.

    Raha ny fanazavan-dRasolondraibe Jeannot, filohan’ny Sehatra BaGasy, ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fanamarihana ny faha-5 taona no hanatanterahana velakevitra arahina fifanakalozan-kevitra ho fanapariahana ny bagasy. Hisy ihany koa fitadiavana izay ho paika hanakambanana ho vondrona lehibe ireo mpiangaly bagasy.

    Marihina fa fiaraha-miasa ny Sehatra BaGasy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny seho tanterahina etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely isaky ny alahady farany amin’ny volana tahaka izao.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.