Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Salle de jeu video iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy maromaro nitondra basy P.A, ny herinandro teny Andavamamba. Araka ny fanazavan’ny polisy, niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy tamin’io fotoana io ka lasan’izy ireo tamin’izany ny fitaovana rehetra tao amin’ilay salle de jeu. Nahazo antso ny polisin’ny Sag taorian’izay. Nanara-dia avy hatrany izy ireo ka tratra tamin’izay ny jiolahy efatra. Mbola tratra tany amin’izy ireo ny fitaovana nangalarina tao amin’ity trano niharan’ny fanafihana ity. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo efa-dahy voarohirohy.

    Les commentaires sont fermées.